IZA IANAO?
Tsy misy intsony ireo zavatra tsara eto a madagasikara very sy simba tanteraka zay mba kely nananana zany rehetra izany dia tao anatin’ny fotoana fohy.maro loatra ireo mpanararaotra ka na ny tsy mana-tsiny maro aza dia lasibatra avokoa nefa dia samy izakan’ny vokany avokoa isika rehetra rehefa avy eo.
Aiza ny malagasy fahiny? iza ireo olona monina eto madagasikara amin’izao? tsy fomban’ny malagasy fahiny mantsy ny maniba sy mandoro fananana izay hitambarana sy nisasaran’ny malagasy rehetra toy ny RNM SY NY TVM(radio national et la télé) na ny oron’asa maro samy hafa izay no robaina sy no dorana ary nangalarina avokoa izay rehetra tao. Iaraha malala fa isika malagasy madinika no mizaka ny vokatry ny fahasimbana rehetra sy ny fiakaran’ny vidin’entana zay tsy maintsy hiseo fa tsy ny mpitarika ny tolona sy ny mpitondra fanjaka izay tsy mitovy amin’tsika mahantra sy mitrongo voa homana kanefa dia tsy miheritreritra mintsy isika fa dia manaraka an’izay tian’ny manana atao.SAMIA MIHERITRERITRA FA LOZA ITY MAHAZO!




